Miankina amin’ny ranomasina izy ireo mba hivelomany. Saingy ankehitriny, miharava ny aina velona ao an-dranomasina.
This story is also available in English. Click here to read that version.
HELODRANON’NY RANOBE, Madagasikara — Ny haran-dranomasina (vatohara) izy tenany dia tena tsara tokoa. Miaina any amin’ny dimy kilaometatra miala ny morontsiraka izy ireo, any amin’ny rano lalina manodidina ny dimy ambin’ny folo metatra, ary dia toy ny tany mikitoantoana misy loko mavokely, manga, ary volomboasary, mipetraka ao anatin’ny ranomasina manga lalina. Ny singany iray amin’ny vatohara dia vondron-biby madinika velona, ary manana endrika hafahafa maro, manomboka amin’ny endrika toy ny lovia fasiana mofomamy sy toy ny ambin-kazo avy amin’ny penisilihazo noharatana ka hatramin’ny endrika toy ny tandroka sy toy ny atidoha.
Fa nisy zavatra iray mazava tsara tsy hita tao: trondro. Toy ny tanàna tsy misy olona, dia saika foana avokoa ilay haran-dranomasina — tsy misy trondro, tsy misy drakaka, tsy misy lamaira (murène), ary tsy misy biby an-dranomasina hafa izay tokony ho hita amin’ny haran-dranomasina.
Maraina mazava tamin’ny volana Septambra ny andro, ary tamin’izay no nanaovako fijibihana (plongée) tao amin’ny haran-dranomasina iray tao atsimon’ny andrefan’i Madagasikara, firenena nosy iray ao atsinanan’i Afrika. Ary toy ny haran-dranomasina maro amin’ny faritra manodidina sy ny hafa maneran-tany, dia efa eo andalam-pahasimbana izy ireo. Ny fanjonoana mihoapapana no naha ritra ny trondro ety amin’ny ranomasimbe, ka rehefa mandeha ny fotoana dia mihamahazo vahana ny lomo-dranomasina (algue) ary lasa mandrakotra ny haran-dranomasina. Ny fitomboan’ny hafananan’ny ranomasina sy ny hamafin’ny rivodoza, miampy ny fandripahana ala any an-tanety, dia anisan’ny loza ho an’ny haran-dranomasin’io firenena io, izay isan’ny manana karazana biby sy zavamaniry maro indrindra eto amin’izao tontolo izao.
Olana lehibe izany ho an’ny olona manamorona ny morontsiraka eto atsimo-andrefan’i Madagasikara. Miankina amin’ny jono ny fiainan’izy ireo — ny fanjonoana biby an-dranomasina dia tena ilainy, ary matetika dia io no hany loharanon-tsakafo sy vola — kanefa rehefa potika ny haran-dranomasina dia potika koa ny jono. Ao amin’ny haran-dranomasina ny trondro no matory, no mihinana, no miafina ny ireo biby mpihaza, ka raha tsy eo intsony izany dia sahirana izy ireo amin’ny fahavelomany. Toe-javatra sarotra izany : ny fahasalamana sy ny fiainan’ny olona eny amorontsiraka dia miankina amin’ny jono, kanefa ny fanjonoana be loatra koa dia isan’ireo antony lehibe mahatonga ny haran-dranomasina — sy ny jono izay tohanany— hihena.
Io fifanoherana eo amin’ny fiainan’olombelona sy ny fiainan’ny biby io dia tsy eto atsimo-andrefan’i Madagasikara ihany no misy azy. Ity nosy ity, izay onenan’ny olona manodidina ny 33 tapitrisa, dia isan’ireo firenena mahantra indrindra eran-tany, ka manodidina ny 80 isanjaton’ny mponina no miaina amin’ny vola latsaky ny 12 000 ariary isan’andro. Matetika tsy manan-tsafidy hafa ny olona afa-tsy ny miankina mivantana amin’ny tontolo iainana mba hahazoana izay ilaina amin’ny fiainana.
Ao anatin’izany anefa, ny fanjakana dia tsy nahavita nanome akory ny tolotra fototra toy ny jiro azo antoka sy rano madio — mainka moa fa na dia lalana hivoahana amin’ny fahantrana sy amin’ny fiankinana amin’ny fitrandrahana. Tamin’ity vanim-potoana fararano ity, izany tsy fahombiazan’ny fanjakana izany dia niteraka fihetsiketsehana tao anatin’ny herinandro maromaro izay notarihin’ny tanora manerana an’i Madagasikara, izay eo amin’ny 20 taona eo ho eo ny salan-taonany. Vokatr’izany, dia nesorin’ny Antenimierampirenena tamin’ny 14 Oktobra ny filoha, ary noraisin’ny miaramila ny fitondrana. Tsy mbola mazava izay dikan’io fiovan-kery io ho an’i Madagasikara sy ho an’ireo tanora mitaky fiovana.
Noho ny filàna mavesatra misy amin’ny maha olombelona, tsy mahagaga raha maro amin’ireo tontolo iainana malaza eto amin’ny firenena no mihasimba ihany koa. Araka ny fikarohana, hatramin’ny fiandohan’ity taonjato ity, dia efa simba hatramin’ny antsasaky ny haran-dranomasina velona eto Madagasikara, ary tahaka izany koa ny ala voajanahary. Saika ny karazana gidro rehetra, biby izay hita eto Madagasikara ihany — dia tandindomin-doza ho lany tamingana.
Ny fanjakana sy ireo fikambanana tsy miankina dia nandany am-polony taona maro — sy vola an-jatony tapitrisa dolara avy amin’ny fanampiana avy any ivelany — mba hiatrehana ireo olana ireo amin’ny fomba izay efa nahazatra, toy ny fananganana faritra arovana izay mandrara ny fanjonoana. Fa ny asehon’i Madagasikara dia izao: matetika tsy mahomby ny tetikasa fiarovana raha toa ka mainka manasarotra ny fiveloman’ny olona tena mahantra izany. Ary hita mazava fa io no antony lehibe nahatonga ireo tetikasa fiarovana maro tsy nahomby any amin’ireo toerana manankarena biby sy zavamaniry, izay matetika hita any amin’ireo firenena mahantra.
Ny toerana toy Madagasikara dia mampiseho fa ilaina ny fomba fiarovana amin’ny fomba hafa — fomba izay tena mametraka ny olona sy izay ilainy ho fototra iaingana, mba hiaina tsara sy ho feno fahatanterahana. Izay indrindra no nahatonga ahy nakany amin’ny Helodranon’ny Ranobe, toerana nandalovako herinandro tamin’ny volana Septambra. Niaraka tamin’ny mpanjono sy ekipa mpikaroka iraisam-pirenena aho, nitsidika fikambanana kely iray izay manandrana mamerina amin’ny laoniny ny jono sy ny vokatra azo avy aminy, nefa tsy manakana ny jono mihitsy. Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanampy olona. Ny fiarovana ny tontolo iainana dia vokatra an-daniny fotsiny.
Tony ny ranomasina ary feno sambo kely misy lay rehefa tonga indray maraina aho teo amoron-dranomasina tao Ambolimailaky, tanàna mpanjono iray. Ireo lay tsofin-drivotra — maro amin’izy ireo vita amin’ny gonim-bary efa nampiasaina ary nozairina miaraka — no nitondra ny lakana hazon’ireo mpanjono, izay antsoin’izy ireo hoe lakan-day na lakam-boaly, ho eny amin’ny morontsiraka.
Nahita harato vita avy amin’ny lay fiaro amin’ny moka (moustiquaire) aho tao amin’ny lakana sasany rehefa nanakaiky ny morona izy ireo. Eto Madagasikara sy amin’ny faritra hafa eto Afrika, tsy zava-baovao ny mahita mpanjono mampiasa ireo lay fiaro amin’ny moka (moustiquaire) ireo — izay matetika omen’ny fikambanana mpanampy hiarovana amin’ny tazomoka — mba hanjonona trondro.
Nasehon’ireo mpanjono tamiko izay azony. Ny sasany nanana siny feno sardinina madinika nihetsika toy ny ranom-bolafotsy. Ny hafa kosa nanana vata feno eo amin’ny antsasany misy trondro toy ny Votrandra, Lafo, Bodoloha, ary zanaka Mandrandovoke. Nisy ankizy vitsivitsy nametraka trondro vitsivitsy mbola velona, toy ny Fia maintsy, tao anaty vilany vy mba hilalaovany. Nisy zaza roa lahy, tokony mbola mpianatra raha ny taonany, nampiseho tamiko siny plastika iray nisy zanaka horita (poulpe) roa ambin’ny folo izay nosamboriny. Nifangaro ny tanan’ireo horita (poulpe) ireo ary tototrin’ny ranomaintiny.
" data-portal-copyright="" />Amin’ny maha olona avy any Etazonia ahy izay tsy mpanjono, nahatsapa alahelo aho nahita ireo biby........
© Vox
